Aller au contenu

Soahily (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Lehilahy soahily ao Zanzibar

Ny Soahily dia vahoaka maro ao Afrika Atsinanana miteny soahily, izay anisan' ny fiteny banto niaharan' ny fiteny arabo. Ankoatry ny fiteniny dia manana kolontsaina iraisany manokana ny vahoaka soahily samihafa. Manodidina ny roapolo ny firenena misy azy ireo, ka ny ankabetsahany dia ao Afrika Atsinanana, ao amin' ny faritra amorontsiraka sy amin' ny nosin' i Kenia, nosin' i Tanzania, nosy ao avaratr' i Môzambika. Atao hoe Waswahili izy ireo amin' ny teny soahily.